Fizahantany: trano vaovao ho an’ny INTH

Napetraka omaly, ny vato fototra hanavaozana ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fizahantany sy ny tranombahiny (INTH) etsy Ampefiloha. Mitentina 2 tapitrisa euros ny asa, tohanan’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Maharitra 15 volana ny asa, izay hanovana ny toerana hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ahitana rihana roa ny trano, efitra 14. Mitsinjara ho efitrano malalaka fivoriana 2, birao 4, efitrano manokana «open spaces» 3, laboratoara ho an’ny fianarana teny vahiny sy informatika, efitrano 3 hanaovana fampiharana, trano fisakafoana, lakozia manokana, fanamboarana mofo, trano fampangatsiahana 2, efitrano fitahirizam-boky sy antontam-baovao, sns.
Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny Paikadim-pirenena ho fampiroboroboana ny fizahantany ity fanavaozana ny INTH ity. Nanatrika ny fotoana ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois, ny talen’ny AFD, Nicolas Le Guen. Notronin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa, Rasoloarisoa Marcelline ary ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), Ranaivoarimanana Ionjaniaina.

Njaka A.

Partager sur: