Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Synthètique Andohalo, ny “For Good Connexion”. Hetsika ho an’ny niomerika mandray andraikitra, nokarakarain’ny Union des clubs et écoles de foot-ball (Ucef) sy ny Orange Madagascar. Fampianarana ny ankizy hitandrina sy hahafehy ny ora hijerena ny findainy ary antoka amin’ny loza ateraky ny fikirakirana tafahoatra ny internet izy ity. 72 mianadahy ireo ankizy, latsaky ny 13 taona, nentanina tamin’ity andiany voalohany ity. Fanentanana tamin’ny alalan’ny baolina kitra. Tao ireo avy amin’ny sekolin’ny baolina kitra, ny avy amin’ny toeram-pianarana ary ireo zanaky ny mpiasa mpanohana. “Nosafidiana io salan-taona io satria eo ny ankizy no tia karokaroka sy mora handairan-javatra. Nentanina mba hametra ny fijerena finday izay mbola hindraminy amin’ireo zoky na raiamandreny izy ireo”, hoy Rakotomalala Anita, tomponandraikitry ny Orange Madagascar.
Ankoatra izay, misy koa karazana kilalao natao tamin’ny alalan’ny fanontaniana, napetraka tamin’ireo ankizy sy ny raiamandreny, nahalalana raha tafita ny hafatra. Nomarihin’i Tsiferana Andriamanamidona, solontenan’ny Ucef fa: “nofidina manokana ny baolina kitra noho io taranja io mahasarika ny tanora be indrindra ankehitriny. Tanjon’ny Ucef rahateo ny fampiarahana ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana izay tsy afa-misaraka”.
Torcelin