Kalon’ny fahiny: hihira ho an’ny reny ny tarika Solika

Fatra-panaja ny reny ny Malagasy. Tsy ho diso anjara izy ireo amin’ity taona ity fa hotolorana fehezam-boninkazo lehibe… Na, ilay fampisehoana an-tsehatra hiarahana amin’ny tarika Solika.

Ny alahady 25 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena, hanatanteraka rindran-kira lehibe ny tarika Solika. Fam­pisehoana tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny reny. Lohahevitra nofidian’ny mpikarakara (FJKM Am­bohibe Ilafy Fitahiana) sy ny tarika Solika hiompanan’ity seho ity ny: « Fetin’ny reny mampiray hina ».
Haharitra ora 2 sy 25 minitra ny fampisehoana izay hisy fizarana roa. Mahatratra 17 ireo hifarimbona eny an-tsehatra hamelona ireo sanganasan’ireo mpamorona andrarezina. Anisan’izany ny sanganasan’ Andrianary Ratinarivo, Jean Ratsaramiafara, Justin Rajoro, Naka Rabemanan­tsoa, Rasamy Gitara, Therack Ramamonjisoa, Georges An­driamananatena, Samuel Rahamefy…
Ireo karazan-kira nentina nandravaka ny piesy teatraly tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-XX no hanakoako eny an-toerana. Hisandrahaka amin’ny lohahevitra maro toy ny tontolon’ny reny, fihavanana, firaisankina, fifankatiavana, fifankatiavan’olon-droa amin’ny endriny rehetra. Toy ny hasarotam-piaro, ady, fifamelana, fitia vao mitsiry, ny hambo, ny fisarahana, ny fahadisoam-panantenana, ny alahelo ary ny fiainana andavanandron’ny fiarahamonina, ny toerana malaza, ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny fahafatesana, ny vola, sns… Hahatratra 43 ireo hira hokaloina eny an-tsehatra..
Anisany mampisongadina sy mampiavaka ny tarika Solika ny fiangalian’izy ireo ny hira rodobe misy beso maredona miaraka amin’ny mpisehatra mihoatra ny dimy ambiny folo. Eo ihany koa ny hira kaloin’olona efatra na dimy. Ny rodobe an-dehilahy fotsiny toy ny “He! Diavolana”, na ny rodobe vehivavy fotsiny tahaka ny “Andeha hanasa lamba”. Hiran’olon-telo izay mifanenjika toy ny “Mbola manina ve?” sy ny “Inona no mampahory an’i Neny?”, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: