Kaominina Bemanonga: Ben’ny Tanàna teo aloha hita faty

Namoy ny ainy, hita faty nihantona tamin’ny tady ny ben’ny tanàna teo aloha an’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, omaly. Hatairana ny an’ny fianakavian’io olom-boafidy teo aloha tao an-toerana io. Tsy nisy aina intsony, nifatotra tamin’ny tady ny tendany ary nihantona. Mangana ny faritry ny tendany izay voagejan’ny tady. Nidina ifotony tao amin’ny fokontany Manga Milahatse, fokontany Antananda­va, nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana.
Nahitana taratasy miisa roa tsy lavitry ny vatana manga­tsiakan’io namoy ny ainy io. Tsy fantatra mazava ny soratra noraiketin’ireo taratasy ireo. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana. Andrasana ny voka-panadihadiana ha­mantarana marina ny antony nahafaty ity ben’ny Tanàna teo aloha ity. Tsiahivina, ben’ny Tanàna voafidy hitantana ny kaominina tao an-toerana ny taona 2015 i Roberto Miadamana.

Tsiferana R.

 

Partager sur: