Asa fa tsy kabary! Izay aloha izao no mahasarika vahoaka maro. Tsy miandrandra zavatra hafa ankoatra an’io ny Malagasy. Na inona na inona lazaina sy resahina, miandry ny harapaka sy ny azo atokona avy hatrany izy ireo. Rehefa tsy misy fiantraikany mivantana aminy, dia ataony toy ny tsy misy. Na inona kabary tsara lahatra na inona teny mambabo, tsy miditra amin’ny lohany izany.
Eo indrindra no tokony hijerena akaiky ny fomba fanaovana politika. Politikan’ny kibo sy ny vilany ihany fa tsy eny ambony vavahady toy ny mpanao kobaka am-bava. Hain’ny filohan’ny Repoblika am-perinasa rahateo izany ka dia mihazakazaka amin’ny vatsy Tsinjo izy. Fantany ny maharary sy ny filana maika sy fototra. Izay ilay maha “mamim-bahoaka azy!”.
Tsy afa-miala lavitra ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka izy amin’ny zava-drehetra hatao. Tsy maintsy midina ifotony mijery ny maharary sy mitondra ny vahaolana mifandraika amin’izany. Firenena tsy mahantra rahateo i Madagasikara fa tsy ampy firaisan-tsaina sy firaisam-po, izay hany vato misakana ny fampandrosoana rahateo.
Mahamaika ny paikady mitakosina amin’ny vahoaka. Tokony ho vaindohan-draharaha izay misy fiantraikany mivantana any an-tokantranony. Tsy mety amin-dRamalagasy ny fiainana lany amin’ny resabe sy tetikasa tsy mihatra avy hatrany. Tsy mety aminy ny fanakianana tsy arahin’asa. Tsy misy dikany aminy ny fanoherana be fahatany tsy misy vokany.
Tsy mahagaga raha misy amin’izao fotoana izao ny vaovao miely etsy sy eroa, manakiana ilay fitondram-panjakana kanefa tsy mampihontsona ny “gasy”. Tsy hoe ilay vahoaka no mahari-pery akory fa raha mbola boribory vetaveta dia aleony tsy misy. Tena tsy ilain’izy ireo akory izany fitsipaham-pitokisana, fandravana efa izany hatreto.
Ny sakafo hiditra am-bava na ny kaly ihany aloha izao.
r.r