Teknolojia: tonga eto amintsika ny AI4Good Festival

Handray anjara amin’ilay fifaninanana irasaim-pirenena IA4GOOD Festival i Madaga­si­kara. Fifaninanana ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) natokana ho an’ny tanora 12 ka hatramin’ny 25 taona. Hifantoka amin’ny fa­moronana horonan-tsary fohy 1-2 minitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny IA ny lalao. Hivoitra ao anatin’izany ny tetikasam-panabeazana, ny ankizy sy ny tanora ao anatin’ny tontolon’ny teknolojia. Lohahevitra amin’ity taona ity ny «Good Tech, Bad Tech» ary ny «Superhero Eve­ryday». «Ho jerena ny famoronan’ireo tanora, ny dingana sy ny fepetra narahiny. Mila asongadina ihany koa ny maha Ma­laga­sy», hoy ny talen’ny Okalou, sady mpikarakara ny hetsika, Rasoanarivo Andy, omaly. Hotanterahina ny sabo­tsy 24 mey, eny amin’ny Canal Olym­pia Andohatapenaka, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika indrindra. Izy ireo indray no hisolo tena an’i Ma­dagasikara mandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena ny 31 mey. «Manana ny hoaviny ny fampiasana IA ka hitondra lavitra ny tanora», hoy ny tale jeneralin’ny Riano Agency, Nathalie Nirinarivelo. Notohi­zany fa ma­nampy amin’ny fampandrosoana ny fanabezana ny IA rehefa ampiasaina amin’ny tokony ho izy. Mano­hana izao hetsika izao ny tambajotram-pifandraisana Yas Madagas­car, izy izay mametraka ny fampiasana ny teknolojia ho ivon’ny asa iandraiketany.

Henintsoa

Partager sur: