Anosibe : Mpanendaka maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) tetsy Anosibe, ny jiolahy iray, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Malaza amin’ny fanaovana asa fanendahana miharo herisetra sady mpanao sinto-mahery izy io. Nikasa hanendaka mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe ity jiolahy ity sy ny namany iray hafa tamin’io fotoana io. Nosakanana sy nosamborin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Nanohitra sy nikasa hamely tamin’ny sabatra teny an-tanany ity olon-dratsy ity nandritra izany. Namaly tifitra avy hatrany ny polisy ka nahalavo ity farany. Tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny namany iray hafa.
Olona tsara sitrapo no nampahafantatra ny fisian’ny jiolahy mpanendaka sy mpanao sinto-mahery amin’iny faritra Namontana sy Anosibe iny. Nanomboka teo ny fanaraha-maso nataon’ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily teny amin’ny manodidina ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy izao. Mbola mitohy ny fikarohana ilay namany hafa sy ireo olon-dratsy manao izany asa ratsy izany eny amin’ny manodidina an’iny faritra iny.

Mino

Partager sur: