Elgeco Plus : Mikasa haka mpilalao any ivelany

Araka ny fanadihadiana natao omaly, manana fikasana haka lohalaharana any ivelan’i Madagasikara ny ekipan’ny Elgeco Plus. Efa manana an’i Ismaily, mpilalao kameroney moa ity klioba ity amin’izao fotoana izao, saingy mbola mikasa hanampy olona amin’io toerana io. Tanjona amin’izany ny hahazoan’ny Elgeco Plus, ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, ary ny hidirana tanteraka amin’ny sehatry ny matihanina. Tsiahivina fa mbola tsy voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara mihitsy ny Elgeco Plus. Ny taona lasa teo izy ireo, nihintsana teo amin’ny famaranan’ny fifaninanam-pirenena PFL. Ankoatra izay, mikasa ny haka ireo mpilalao Barea, tsy manana klioba amin’izao, ny Elgeco Plus. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba, efa an-dalana amin’ny fifampiresahana izy ireo ankehitriny.
Nanamafy ihany koa ny tomponandraikitra fa hitady mpanohana afaka hiara-kiasa amin’ny klioba izy ireo, mba hahafahan’ity ekipa ity miditra tsara amin’ny rafitry ny matihanina.

Fitia Randria

Partager sur: