Fampisehoana hatsikana: Hiverina indray ny “Fetin’i Maman’ty!”

Taona 2012, anisan’ny rakitsary be mpankafy sy nahasarika indrindra ny mpankafy ny “Vavaka ho anao ry Neny”, hiran-dRamy Franck, novelomin’ireo mpanao hatsikana. Nitondrana ilay fampisehoana “Fetin’i Maman’ty!” voalohany tao Antsahamanitra io, izay noraisin’ny LH Pro an-tanana tamin’izany. Nanom­boka teo nivoatra harany, lasa fotoam-bita isaky ny fetin’ny reny ary efa nisy fotoana nitety faritra mihitsy ny hetsika. Nisy ihany koa anefa ny fiatoana, noho ny antony maro…
Fantatra kosa izao fa hiverina indray, araka ilay antom-pisiany voalohany indrindra: fanamarihana ny fetin’ny Reny. “Fetin’i Maman’Ty!, le grand retour” rahateo no natao anaran’ny seho, izay hotontosaina ny alahady 25 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao Antsahamanitra. “Eo avokoa ireo mpanao hatsikana fototra nahafantarana ny hetsika. Tsy miova ny endriky ny seho fa fitambarana hatsikana hataon’olon-tokana, roa, telo na izy rehetra miaraka hatrany ny ao. Vaovao kosa anefa ny hatsikana homanin’ireo mpanakanto, ary hisy hira handravahan-dry zareo azy, araka ny fanaovany azy izany”, hoy kosa ny fanazavana avy amin’ny Natura Production, izay mandray an-tanana indray ny fikarakarana amin’ity.
Ho tafaraka an-tsehatra indray, araka izany, i Francis Turbo, Gothlieb, Honorat, Bahrone ary i Riri sy i Aldini, Etsetra Etsetra. Hanampy ireo kosa i Raytra Bellaw’yck sy i Elly Nomenjanahary, izay anisan’ireo mpanao hatsikana miaka-daza amin’izao fotoana.

Zo ny Aina

Partager sur: