Ho an’ny Malagasy, ny manan-janaka, manan-karena. Raha ny tranga misy eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny, manary harena tsikelikely ny reny. Manomboka tsy misy vidiny aminy ny zanany.
Hankalaza tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny » ny firenena maro maneran-tany. Ho an’ny Malagasy manokana, fahiny, tsy misaraka amin’ny reny ny zanaka. Faharoa, harena ny zanaka. Nosokajiana tao anatin’ny fadiranovana ny vehivavy momba na tsy niteraka. Nahazo tondro molotry ny mpiara-monina. Notsaraina ho ratsy fitondran-tena, sns. Taty aoriana, niova endrika izany.
Misaraka tsikelikely amin’ny zanaka ny reny. Maro ny antony fa ny voalaza matetika: « miasa manampy amin’ny fampidiram-bola ». Izany hoe, nanomboka teo amin’io vanim-potoana « nahasarotra ny fiainana » io, ny vola no harena fa tsy ny zanaka intsony… Ka na fomba tahaka inona no ahafahana mitady vola, nataon’ny reny avokoa. Nivadika tanteraka ny rasa ka nanjary « enta-mavesatra » indray no nilazana ny fara sy dimby. Ny tsy manam-bola na zavatra indray no notsaraina fa ratsy fihary.
Nanao izay ho afany…
Mamono tena mitady vola ny reny, satria iny no nanjary ho harena. Mialoha izay, rehefa heveriny fa ho enta-mavesatra ho azy ny fisian’ny zanany ao am-bohoka, nesoriny. Ny vao teraka, nariany teny rehetra teny. Nanao izay ho afany ny reny malagasy, mba hitovy zo amin’ny lehilahy. Ny sasany aza, « mamono tena » (fomba hoenti-milaza ny miasa mafy manao mihoatra ny hery eo am-pelantanana), mihitsy, mba tsy ho resin’ny lehilahy, hono.
Nanao izay ho afany hikatsahana ny vola, satria, io no harena. Amidy ny tena mba hahazoana asa hampidi-bola be ao anatin’ny fotoana fohy. Amidy ny fanahy mba hisondro-boninahitra hahazoana fahefana hoenti-mikatsaka volabe, sns. Fahiny, ny reny no manabe ny taranany. Ankehitriny, « zavatra » hafa no halehibeazin’ny reny mba hahazoany vola. Tsy mahagaga raha mitana ny rambony i Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto