FANTINA sy FINTINA

Notebahin’i Rinah Rakotomanga ny avy amin’ny mpanohitra, araka ny fanehoan-keviny, omaly. Nambarany fa tsy misy miabo na iray aza ny fanoherana eto. Nohitsiny fa mibahana ny fanompana sy firesaka tsy mitondra mankaiza tsy mampandroso. “Tsy misy mpanohitra mahazo sitraka eo amin’ny vahoaka… Mila mianatra manohitra izy ireo”, hoy izy.

Nahazo tohana avy amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny STK avy ao amin’ny FJKM Ambohimalaza. Noraisin’ny Jly Ravalomanana Richard tetsy Anosy izy ireo, omaly. Fotoana nitondrana am-bavaka azy manoloana ireo andraikitra maro sahaniny eto amin’ny firenena. Nambarany fa misokatra sy mifanakalo hevitra amin’ny rehetra ny tenany.

Nanaovana tombana ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara, tamin’ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, tetsy Anosy. Niray feo ny roa tonta fa hotohizana sy hatsaraina ny fiaraha-miasa taorian’ny nandalovan’ny filoha frantsay teto ireny.

Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy i Frantsa. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, sy ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, tetsy Analakely, ny herinandro teo. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanabeazana sy ny fotodrafitrasa. Eo koa ny fitaterana manaja tontolo iainana ary ny toekarena.

Partager sur: