Hifarana afaka andro vitsy ny fe-potoam-piasan’ny solontena maharitry ny Jica, Tanaka Kaori, eto Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, omaly.
Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, tetsy Anosy, ny nanaovana tombana teo amin’ny fiaraha-miasa Japoney Jica sy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny MFFT tao anatin’ny telo taona, niasany teto Madagasikara.
Anisan’ny voaresaka ny fiaraha-miasan’ny minisitera sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ary ny Jica. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny tetikasa “Gesda”, fanatsarana ny fitantanana sy fanangonana ny fako eto an-dRenivohitra. Nisitrahan’ny CUA fitaovana, toy ny fiarabe mpitatitra fanangonana fako sy ny hanodinana izany.
Eo koa ny tetikasa lehibe “Tatom”, ho amin’ny Drafitra fanajariana an’Antananarivo sy ireo kaominina manodidina “Grand Tanà”. Anisan’izany ny lalambe “Rocade Iarivo”, eto an-dRenivohitra.
Mpamatsy vola japoney…
Manampy izany ny fanohanan’ny Jica ka nanofanana ho amin’ny fahaiza-manaon’ny mpiasa eo anivon’ny MFFT sy ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Niofanana momba ny fitantanana ny fako, ny fanajariana ny tanàn-dehibe, ny fanadiovana sy ny fiatrehana ny tondradrano, ny vonjy voina ary koa ny fanamafisana ny fiofanan’ireo mpamonjy voina izany.
Niray feo ny roa tonta fa mitondra ho any amin’ny fampandrosoana maharitra ny tanàn-dehibe ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny Jica.
Tsiahivina fa anisan’ny iaraha-miasa amin’izy ireo koa ny firotsahana an-tsehatr’ireo mpamatsy vola japoney, amin’ny alalan’ny tetikasa goavana toa an’Ambatovy ary koa ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Vinavinaina ho vita ny faran’ny taona 2026 izany.
Synèse R.