Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe momba azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosy. Hentitra ny nambarany fa tsy misy ny olana eo aminy sy ireo loholona na koa amin’ny mpitondra fanjakana. “Tsaho iniana aely izany ary fampiadiana tsotra izao”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa natao avokoa izao karazana fanakorontanana rehetra izao saingy tsy nahomby. Anisan’izany ny nikasana hanakorontanana ny fivorian’ny COI, ny fetin’ny asa ny 1 mey teo ary koa ny fikasana hanakorontana tamin’ny 13 mey. Samy tsy nahomby avokoa izany rehetra izany ary tsy nisy tohiny, araka ny nambarany. “Tsy nahovoka ka any amin’ny fampihorohoroana ara-tsaina indray ny sasany izao any anaty tambajotra sosialy any mba hanakiviana ny mpitondra sy ny mpitantana”, hoy izy. Nanteriny fa fikendrena ny hampizarazara sy fampisaraham-bazana izao ataon’ny sasany izao nefa tsy mihevitra izany velively ny tenany. Aoka tsy ho voafitaka amin’ny serasera diso fa famitahana tsotra izao izany ary efa nitondrany fanazavana hatrany ivelany amin’ireny fitsidihana nataony tany am-pita ireny. Anisan’izany koa ny fivoizana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta nefa tsy misy aloha izany hatreto. “Te hilaza ny sasany fa tsy mifampatoky sy mifampiandry kendry tohina ny samy mpitondra”, hoy ihany izy. Notsindriny fa miaramila ny tenany na efa misotro ronono aza ary mijoro hatrany amin’ny soatoavina amin’izany hiatrehana ny zava-misy.
Synèse R.