Gazety Taratra(*) : Inona ny nahatonga ilay safidy hoe hanao mpandraharaha amin’ny sehatry ny fanatanjahantena?
Steve Princy (-) : Nisafidy ny handraharaha amin’ny fanatanjahantena aho satria ny tena rahateo efa notaizana tamin’ny fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, ary nianatra ny resaka manokana ny fandraharahana teny amin’ ny oniversite.
Ireo rehetra ireo no natambatro ka nahatonga ahy hanapa-kevitra ny handraharaha amin’ity resaka fanatanjahantena ity.
* Mora taminao ve ny nanambatra ilay izy?
– Ireo fahaizana norantovina teny amin’ny Oniversite ihany no nampiharina ary efa anaty ra ihany koa ilay fanatanjahantena, ka tsy dia sarotra tamiko loatra ny nanambatra ireo zavatra roa ireo. Tsara ny mampahafantatra fa nianatra manokana ny mahakasika ny varotra ny tenako teny amin’ny Anjerimanontolo ary efa nahazo ny diplaoma amin’ ny fitantanana fanatanjahantena teny anivon’ny Komity Olympika Malagasy (COM).
* Nanao ahoana ny fiandohanao tamin’ity resaka ity?
– Tsy dia nanana enti-manana firy aho teny am-piandohana, saingy niezaka nampiasa izay nisy teo ampelantanako. Izay kely nisy teo ihany moa no nahodina tamin’izany ary azo lazaina fa nahomby ihany.
* Inona no mbola tetikasa anao aoriana kely ao?
– Ny tanjona dia ny handeha lavitra amin’ity resaka ity, anisan’izany ny famokarana fanamiana amin’ny fanatanjahantena, ny fitantanana kianja, eo ihany koa ny fitondrana ny klioba na amin’ny lafiny teknika na ara-pitantanana.
* Hafatra ho an’ny tanora tahaka anao izay tsy mbola manana asa fivelomana?
– Ny hafatra avy aty amiko ho an’ireo tanora, dia hoe aza kivy manatratra ny tanjona, ary miezaha hatrany mampiasa izay misy eo am-pelantananao. Tsy mora ny manatanteraka ny tetikasa saingy harao finoana sy asa izany, dia ho vita tsara izay rehetra kasainao hatao amin’ny hoavinao.
Tsiahivina fa i Manitriniaina Steve Princy, efa niofana ho mpanazatra ary mitaiza ankizy maro amin’ny sekolin’ny baolina kitra Analakely Football Academy. Mitondra ny ekipa vehivavy Askam AFA Itasy koa izy, ary nitantana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sokajy vehivavy, Futsal, izay niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Maroc, farany teo.
Nanatontosa : Fitia Randria
Misafidy ny hiasa amin’ny orinasa matanjaka ny ankamaroan’ny tanora malagasy, ao ihany koa ireo miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary ny tena betsaka indrindra, raha ho an’ny tovolahy, dia ny ho lasa mpilalao baolina kitra milaravinahitra any ivelany. Manana safidy hafa kosa i Manitriniaina Steve Princy. Araka ny fanadihadiana natao taminy, tetsy Analakely, omaly, ny tontolon’ny fanatanjahantena no tena nimasoany ary nahalasa mpandraharaha azy. Mifantoka amin’ny resaka fivarotana akanjo sy kiraro filalaovana baolina kitra sy basikety ny tenany, ary mitantana kianja Synthétique. Efa namorona ny marika azy manokana i Princy, dia ny “PK” izany.