Rohy voahary manan-danja ny ala honko. Tandindomin-doza anefa izany noho ny fandripahana ataon’ny olombelona. Maro ireo mpisehatra manomboka miaro azy.
Toeram-ponenan’ny hazandrano maro, toy ny drakaka, ny akamba, sns, ary ireo trondro ahina ho lany tamingana ny ala honko. Nambaran’i Behanarina Huiguens, lehiben’ny tetikasa ny orinasa Bôndy any Antsohihy, faritra Sofia, fa « nihena be ny fiharian’ny mpanjono vokatry ny fandripahana ny ala honko tato ho ato ».
Mpamboly, mpiompy ary mpanjono ny mponina any Antrema, tanànakely akaikin’ Ambanja, faritra Diana. Miha vitsy ny ala honko, izay tokony hiaro ny nofon-tany sy ny onjan-dranomasina mba tsy ho tafiditra an-tanety ka manimba ny voly Cacao sy ny tanimbary ary ny voly hafa. Anisan’ny vahaolana ny tohana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana mahakasika ny tontolo iainana (PNUE), ahafahan’ny mponina amorontsiraka miatrika ny fahasimbana.
Manana tanjona hanarina ala honko mirefy 40 000 ha ny tetikasa “Ma Honkô” ny Bôndy any Sofia sy Diana ary Melaky. Miara-miasa amin’ny vondron’ny mponina eny ifotony, amin’ny fambolena karazan-kazo honko miisa 6 izy ireo. Tanjona, ny hiarovana ny seha-pihariana jono, ny fambolena, ny asa tanana, ny fizahantany, hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.
Faritra arovana samihafa
Mandray anjara ihany koa ny rafitra hafa, toy ny fikambanana mpikaroka Famelona amin’ny fitantanana Faritra arovana an-tanety. Manomboka hisehatra amin’ny Faritra arovana an-dranomasina ihany koa izy ireo, ankehitriny, miaraka amin’ny vondrona mponina eny ifotony. Nilaza i Narivony Joël, talen’ny faritra Ampasindava, fa “mahatratra 360 ha ny ala honko narenina nanomboka ny taona 2022, any amin’ny Helidranon’Ampasindava sy Rafaralahy.
Mahatratra 2 600 ha kosa ny vitan’ny Blue Ventures, tato anatin’ny 10 taona, any amin’ny Helidranon’i Tsimipaika, ahitana ala honko 8 500 ha”. Eo koa ny hafa, toy ny MNP, ny Planète Urgence, ny WCS, ny WWF, sns.
Njaka Andriantefiarinesy