Niakatra fitsarana misahana ny heloka bevava omaly, tany Brickaville, ilay raim-pianakaviana 53 taona namono nahafaty ny zafikeliny. Nandritra ny fankalazana ny fetin’ny maty, ny 16 novambra 2020, novonoiny tamin’ny antsy ny zafikeliny, izay nonina tao Tsararivotra, kaominina ambonivohitr’ i Brickaville. Nandositra sy nifindra monina niala ny toerana sy faritra nisy azy mihitsy ity farany taorian’ny asa ratsy nataony. Natao ny fikarohana azy, telo taona taty aoriana vao hita ary izao niakatra fitsarana omaly izao ny raharaha. Tahotra ny hisian’ny fitsaram-bahoaka ny antony nandosirany.
Efa nivatsy antsikely tany am-paosiny ity dadilahy ity ary nanatsatoka izany teo amin’ny tendan’ilay zafikeliny. Nahazo ny faritra saro-pady izany ka nitarika tamin’ny fahafatesan’io zafikeliny io teo no ho eo, nandritra ny famakiana ny antontan-taratasin’ady mirakitra ny tenin’ny mpitory sy ny vavolombelona. “Nanao vono olona niniana natao ity tranga ity ka mendrika hampiharina aminy ny sazy mifanaraka amin’ izay”, hoy ny tenin’ny mpampanoa lalàna. Voaheloka hanao asa anterivozona mandritra ny 10 taona ny voampanga taorian’ny fivoahan’ny didy.
Tsiahivina, “nidaroka sy niady tamin’ny vehivavy iray io zafikeliny io ary nanasaraka azy ireo izy. Nitazona antsy io lasibatra io ka voan’ilay antsy teny aminy ihany ka antony nahafaty azy”, raha ny fiarovan-tenan’ity nahavanon-doza manoloana ny fitsarana.
Sajo / Mino