« Rallye des industries »: Manana iray volana hiomanana ireo mpifaninana

Hampita ireo fahalalana rehetra sy torohay samihafa ho an’ny fanomanana mafonja ny fifaninana « Rallye des industries » ireo indostria mpiahy ny oniversite miisa sivy. Hisy ny fitsidihana ifotony ny orinasa, fifanakalozana amin’ireo matihanina sy fanentanana amin’ny lanjan’ny indostria mandritra ny iray volana (hatramin’ny 20 jona).
Ankoatra izay, hiofana amin’ny fandraisam-pitenenana, fanaovana asa iombonana ary fandrindrana ny rarintsaina hiatrehana ny fifaninana ireo mpianatra. « Tanjona ny hametrahana ireo tanora eo anivon’ny indostria sy hamantarany ny fandrosoan’ny orinasa ary hanomanana azy sahady hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa », hoy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasa­mimanana Tiana, omaly, tetsy Ambodivona nandritra ny fampahafantarana ireo indostria sy oniversite hiara-kiasa mandritra ny fifaninanana. Ken­drena, hoy izy, ny hamantaran’ ny Malagasy ny « Label­ Malagasy ny antsika », ny hanjifan’ny Malagasy ny vokatra eto an-toerana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny indostria eto amintsika.

Fifaninanana

Hampihatra ny fahaiza-manaony ireo mpianatra mandritra ny fanomanana hiarahany amin’ireo orinasa mpiahy azy. Araka izany, hotanterahina ny 5-12 jolay ny dingan’ny fifanintsanana ary ny 19 jolay kosa ny famaranana. Fantatra avokoa ireo orinasa 10 hiahy ireo tanora mpifaninana ao anatin’ny lalao. Ao anatin’izay, ny vondrona Arbiochem, ny vondrona Enduma, vondrona Basan. Eo ihany koa ny Alpha Ciment, vondrona Inviso, orinasa NEA, Savonnerie Tropicale, Star Madagascar, ny vondrona Sipromad ary ny Taf. Mpifaninana ao anatin’ny « Rallye des industries » kosa ny mpianatra avy ao amin’ny Altitude business School, IST, ESSA, ny ESCM, ISCAM, ny ESPA. Ao ihany koa ny ESTI, Inscae, ny tanora avy amin’ny Oniversite Aceem, ary ny EGS avy amin’ny Oniversiten’­ Antananarivo.

Henintsoa

Partager sur: