Afaka 15 andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny ekipam-pirenena, vehivavy, Makis Ladies. Efa manao fanazaran-tena ry zareo, ankehitriny.
Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby sokajy vehivavy, ny Makis Ladies. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao. Ekipa efatra no hifanandrina amin’io, ahitana an’i Afrika Atsimo, Kenya, Ouganda ary ny Makis Ladies. Hatao ny 7 jona ny lalao voalohany, ka hifanandrina amin’ny Makis amin’izany i Kenya.
Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny paikady, izay lesoka tamin’ny lalao farany, ny fanomanana. Nisy ny fanitsiana natao tao amin’ny ekipa, araka ny nambaran’ny mpanazatra.
38 mirahavavy ireo mpilalao, fa ny 28 amin’ireo ihany no hiatrika fifaninanana.
Tanjona ny ho lasa mpandray anjara lehibe amin’ny rugby aty Afrika, sy ho lasa tompondaka na ho tompondaka lefitra. Mba hanatrarana izany, misy ankehitriny ny fanomanana matotra handresena ny sakana. Ny Makis Ladies izay manana faniriana ny hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany. Mila fanohanana ara-moraly, ara-bola ary ara-pitaovana ireo mpilalao amin’izany.
Mialoha io fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika io, hisy hetsika kasaina hatao ihany koa hanamarihana ny faha-125 taona nahatongavan’ny rugby teto Madagasikara. Anisan’izany ny fanokafana ivontoerana akademika hatokana ho an’ny rugby. Misy ezaka hatao, araka izany, ho fanatsarana ny tany hanorenana sy hiantohana ny fepetra tsara hahazoana miofana sy milalao.
Ninah (Mpianatra asa)