« Miantoka ny 75% ny zavamananaina maneran-tany ny tantely, mandrakotra ihany koa ny tontolo iainana », hoy ny mpandrindra ankapoben’ny tetikasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae), Radavidson Hervé Patrick. Antony ankalazantsika ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, natao tetsy amin’ny Carlton, omaly. Hetsika nokarakarain’ny minisitera Minae, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD), tohanan’ny FAO sy ny Alliance voahary Gasy (AVG ) ary ny Alliance Aika. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fambolena sy ny rohivoahary ary ny fampandrosoana ny toekarena ny tantely. Izay no nahatonga ny lohevitry ny hetsika ho « ny andraikitry ny tantely ao anatin’ny famokarana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ». Tanjona ny hampiroborobo ny fiompiana azy mba hiantohana ny famokarana lovain-jafy. Nilaza kosa ny mpitarika ny Maison de l’apiculture malagasy (Mam), Andriamahandry Eric, fa “mihena ny tanjaky ny tantely, manampy trotraka ny fiovaovan’ny toetr’andro ka mahatonga aretina amin’izy ireny”. Ilaina, araka izany, ny fifanohanan’ny rehetra amin’ny fiarovana ny tantely hiantohana ny famokarana sy ny fandrosoana lovain-jafy.
Ninah