TARATRY ny KANTO

Efa misokatra ny fisoratana anarana, ho an’izay liana amin’ilay fifaninanan-kira kristianina, “The next voice”. Ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 30 taona izy ity, ka ho an’olon-tokana ihany fa tsy tarika na antoko mpihira. Manomboka ny 6 jona hatramin’ny 30 aogositra izao ny fifanintsanana. Ny Colarys Messenger of Jesus sy i Joseph D’Af no mikarakara azy.

Nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana, nataon’ny masoivohon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara, Chabane Khazamula, ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna, tetsy amin’ny biraony etsy Nanisana. Noresahana nandritra izany ny fanohizana ny fiaraha-miasa efa nisy ela eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra ny fifanakalozana ara-kolontsaina.

Nifarana tany Mahajanga ny fitetezam-paritra ho an’ny tapany avaratra, tamin’ilay fampirantiana “Ma voix compte”. Anatin’ilay hetsika “SAr’nao” izy ity, izay nanehoana ireo vehivavy heverina ho fitaratra sy modely. Nisy ny adihevitra sy ny fanasongadinana ny vehivavy sy ny asa aman’andraikiny nandritra ny fotoana rehetra, nanomboka tany Antsohihy, Ambanja, Antsiranana ary tao Mahajanga.
Mitohy ny asa fanamboarana ny toeram-bakoka “Vatobe Ambatomanga”. Anisan’ireo andraikitry ny Foibe Tahiry Lovako ny fikarakarana sy fanomezan-danja azy ireny, ka nijery akaiky ny fivoaran’ny asa tany Ambatomanga, distrikan’i Manjakandriana, ireo tomponandraikitra. Nisy ny fihaonana tamin’ny ben’ny Tanàna sy ireo mponina, nandinihina ny tohin’ny fiaraha-miasa.

Partager sur: