Tetikasa “Inser jeune” : Hampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa

Firenena 16 aty Afrika no efa nampiharana ny “Inser jeune”, ankehitriny. Vita ny famolavolana izany ho an’i Madagasikara. Hihodina izany manomboka izao. Efa vita ny andrana tao anatin’ny taona maromaro.

Telo taona no namolavolana ny rindrambaiko niomerika “Inser jeune” niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Organisation international de la Francophonie (OIF). Misy antontan-kevitra ao anatiny ahafahana mandrefy ny tahan’ny tanora nahazo diplaoma tafiditra amin’ny sehatry ny asa sy ny tombana momba ny fahafaham-pon’ny orinasa nandray azy ireny hiasa. Rindrambaiko hifanenan’ny telo tonta: mpiofana nahavita fianarana, sekoly nanofana ary ny orinasa manana tolotrasa. Misy fombafomba atao ny fampiasana azy. “Tom­bontsoa lehibe azo amin’ny fikirakirana azy ny fahafahana mampiditra tanora amin’ny sehatry ny asa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Hari­soamanarivo Angelico Enno­dius. Sekoly teknika sy ivontoeram-panofanana arakasa 20 no nanaovana andrana nampiasana ny rindrambaiko ary nahazo fiofanana ireo mpiasa hikirakira ny “Inser jeune”. Ahitana tolotrasa sy fiofanana samihafa koa ao anatiny. Ho an’ireo efa nahazo mari-pahaizana, afaka misitraka ny tolotrasa izy raha mifanojo amin’ny filan’ny orinasa. Raha mbola hanamafy ny fahaiza-manaony kosa, eo ny safidy amin’ny lalam-piofanana voafaritra ao anatin’ny rindrambaiko.
Mizara telo ny sehatra ao amin’ny Inser jeune: ho an’ny sekoly teknika, ho an’ny orinasa ary farany ho an’ny tanora nahavita fiofanana. “Ho an’ny sekoly 20 nanaovana andrana, 6 000 eo ho eo ny tanora efa ao anatin’ny rindrambaiko”, hoy ny tomponandraikitra manampahaizana ao amin’ny OIF, Lena Watt. Dingana manaraka ny fanentanana ireo telo tonta voakasika hiditra ao anatin’ny rindrambaiko manerana ny Nosy.

Vonjy

Partager sur: