« Université d’été » : Haharitra hadimiana ny ao Fianarantsoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Amphithéâtre EMIT, ny « université d’été » andiany faharoa, izay haharitra dimy andro ho an’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Hisy ny atrikasa fanadihadiana ny fampiasana sarin-tany mandritra io fotoana io, mivoy ny lohahevitra : « L’intelligence artificielle au cœur de l’analyse géospatiale ». Tanjona ny hitondrana anjara biriky amin’ny tetikasa « Madatlas » eo amin’ ny fampandrosoana ny siansa, indrindra ny fampiasana ny ilon-tsaina artifisialy (IA) amin’ ny fampianarana sy fikarohana. Mifanindran-dalana amin’ny politikam-pitantanana ny Oniversiten’i Fianarantsoa rahateo izany. Fikarohana sy haivao ho amin’ ny fampandrosoana, vina faharoa: ny hamahana ny olan’ny mpiara-belona.
“Ilaina ny fifandraisana iraisam-pirenena ho fampandrosoana ny tahan’ny fananan’asa, hahafahana mahazo famatsiam-bola ho fampandehanana ny fampianarana sy ny fikarohana”, hoy ny filohan’ny Onivesiten’i Fianarantsoa, Pr Hajalalaina Aimé Richard, nandritra ny lahateniny. Nanome voninahitra ny lanonana ireo solontenan avy amin’ny Université Gustave Eiffel, Université Bordeaux Montaigne, Université Douala Cameroun.

Vonjy

Partager sur: