VAOVAO TAMBATRA

Miisa 389 ny mpikambana ao anaty fikambanam-behivavy sy mpamokatra any amin’ny kaominina Tanandavana Station any amin’ny lemak’i Bas Mangoky nahazo fitaovam-pamokarana, ny 19 mey teo. Tohana avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Bad, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena izy ity.

Vita tanteraka ny lalana mirefy 4,9 km sy ny vahilava Kiembe, mirefy 1,8 km, manamorona ny seranan-tsambon’i Toliara. Manamora ny fitaterana entana mavesatra entin’ny kamiao, sady miaro amin’ny tondradrano mpahazo isan-taona ny tanànan’i Toliara ity lalana sy vahilava ity. Sady mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-9 sy ny faha-7 ihany koa.

Betsaka ireo nitaraina vokatry ny fahatapahan-jiro, omaly, indrindra ireo mpiasa tena miankindoha amin’ny fampiasana herinaratra. Voatery nanemotra ny asany sy nanajanona ny fihariany avokoa ny ankamaroan’ireo orinasa madinika, nihena, araka izany, ny fidiram-bolany, mananosarotra ny fandrindram-bola.

Miha mitombo ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana trondro zanatany ao Betafo taorian’ny fanaraha-maso sy fanangonana antontanisa nataon’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny DRPEB. Nampahatsiahy izy ireo amin’ny fampanarahan-dalàna sy fanentanana ny hananana taratasy fahazoan-dalana hivarotra sy ny karatra maha mpiompy.

Partager sur: