Vehivavy voaroba 75 tapitrisa Ar: Jiolahy voatifitra teo Ambavahaditokana Itaosy

Maty nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary teny Ambavahaditokana, Itaosy, ny jiolahy iray. Anisan’ny nandroba fianakaviana sy nandratra vehivavy teny an-toerana izy, ny alin’ny 14 febroary lasa teo.

Nifampitadiavana nanomboka ny volana febroary 2025, jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Loharanombato, kao­minina Ambavahadito­kana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alin’ny talata 19 mey teo, tamin’ny 11 ora. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy mihaodihaody teny amin’ny manodidina Volamanga. Niatrana teny an-toerana ny zandary. Naha­tazana roa lahy izy ireo. Nampitandreman’ny zandary hijanona ireo olona roa ireo saingy nandositra avy hatrany. Namoaka sabatra sy basy teny aminy ireo olon-dratsy sady notifiriny ny mpitandro filaminana. Tetsy ankilany, niaro tena sy nampiasa ny fitaovam-piadiany ny zandary. Vokany, lavon’ny bala ny iray tamin’ireo roa lahy. Latsaka teny amin’ity farany ny basy sy ny antsy fampiasana. Tafaporitsaka ny namany.

Nandroba 75 tapitrisa Ar
Nataon’ny zandary fanamarinana, jiolahy nokarohina hatry ny ela io lavo io. Nandray anjara mivantana tamin’ny fandratrana renim-pianakaviana tao Ambohidralambo, ny 14 febroary 2025 teo, izy. Voaroba ny vola mitetina 75 tapitrisa Ar tamin’io fotoana io. Ankoatra io tranga io, matin’ny zandary koa ny jiolahy mpangalatr’omby tao amin’ny distrikan’Arivonimamo. Efa-dahy ireo olon-dratsy nifanehatra tamin’ny zandary, tao amin’ny fokontany Andriatsim­ionona, kaominina Ambohim­andry, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Nanapoaka basy ireo dahalo, namaly ny mpitandro filaminana. Voan’ny bala nandritra ny fifanjevoana ilay mpangalatr’omby. Nandositra ny mpiara-manao asa ratsy taminy. Indroa nigadra tao amin’ny fonjan’Arivonimamo ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: