“Aéro-Expo 2025”: Fampahafantarana ny sidina ana habakabaka

Hatao ny 31 mey sy ny 1 jona ho avy izao ny “Aéro-Expo 2025” eny amin’ny tobin’ny Tafika ana habakabaka sampana helikopitera Ivato. Hetsika karakarain’ny Tafika ana habakabaka, ka mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Yas Mada­gasikara.
Tanjona ny hampahafantarana ny tontolon’ny sidina ana habakabaka. Ao anatin’izany ny asa sy ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy, izay anisan’ny tompon’andraikitra amin’ity sehatra ity. Ho hita mandritra ireo roa andro ireo ny tontolon’ny fitaterana sy ny manodidina ny sidina ana habakabaka rehetra. Ham­pahafantarana ihany koa ny fampandrosoana entiny. Tan­jona ny hanakaikezana bebe kokoa ny mpiray tanindrazana, satria eny akaiky eny ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antana­narivo.
Toekarena sy fizahantany

Manana ny lanjany sy ny toerany amin’ny lafiny toekarena sy ny fizahantany eto an-toerana ny sehatry ny sidina ana habakabaka. Maro ny mpiray ombon’antoka samihafa handray anjara. Singanina amin’izany ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny mponina sy ny sosialy (UNF­PA), misahana ny sosialy, ny fitsaboana, sns.
Ankoatra ny daholobe, kendrena manokana koa ny tanora sy ny olona liana na mankafia ny tontolon’ny
sidina ana habakabaka. Hisy ny fanamafisana ny fiara­ha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ny hetsika ho hita eny an-toerana, ny fampirantiana, ny fanentanana, ny kilalao samihafa.

Njaka A.

Partager sur: