Ambatopotraka : Fasana efatra vaky, razana aman-jatony lasan’ny olon-dratsy

Tsy mitsaha-mirongatra ny vaky fasana sy ny halatra taolam-paty. Fasana efatra indray novakian’ny olon-dratsy, omaly, tany amin’ny fokontany Amboniloha, kaominina ambanivohitra Imerimandroso. Razana aman-jatony lasan’ireo jiolahy nandritra izany.

Fasana efatra indray nisy namaky tany Amba­to­potraka, fokontany Am­bo­niloha, kaominina ambanivohitra Imeriman­droso, disi­trikan’Ambohidratrimo, omaly. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny razana aman-jatony maro tao amin’ireo fasana. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahita ny zava-nitranga, omaly tamin’ny 12 ora atoandro. Nampan­dre­nesina avy hatrany ny mponina manodidina sy ny tomponandraikitra momba ny tranga nisy. Nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ireo mponina sy ny tomponandraikitra ary ny tompom-pasana taorian’izay. Fantatra tamin’izany fa efatra ireo fasana voaroba. Tonga teny an-toerana sy nanokatra fanadihadiana ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana sy ny sefo fokontany. Araka ny fanadihadiana, lamba sisa no navelan’ireo olon-dratsy tamin’ny fasana miisa telo. Raha toa ka razana olon-dehibe telo sy taolambalon’ankizy no tsy noentiny, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Razana lena ny iray tamin’ireo taolambalo tavela tao ireo.
Manaitra ny tomponandraikitra ny mponina
Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny olona nahavanon-doza nanao izao halatra taolam-paty sy namaky fasana tany an-toerana izao. Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana, miantso ny tomponandraiki-panjakana sy ny manam-pahefana ny mponina. Raha ny fanazavana voaray, anisany mateti-piseho any an-toerana ny tranga tahaka izao.

Mino

Partager sur: