Zazalahy kely tokony ho dimy volana eo, nisy nanary sy nametraka tetsy Ampasika manamorona ny tetezana sy ny reninan’Ikopa, omaly tamin’ny 2 ora latsaka fahefany atoandro. Tsy nisy taratasy nahafantarana ny momba ilay tompon’antoka nanary ity zaza ity teny an-toerana sy ny manodidina nahitana ilay zaza. Raha ny fanazavana voaray teny amin’ny manodidina, efa saika novonoin’ny reniny ho faty io zaza io. Naheno ny kiakiaka sy tomanin’ilay zaza ny olona teny amin’ny manodidina ka tonga nijery sy nanavotra ilay zaza. Lasa nandositra avy hatrany moa ilay renim-pianakaviana rehefa nahita ny olona nirohotra. Vehivavy iray tsara sitrapo, monina sy mipetraka eny an-toerana no tonga nanatitra io zaza io teny anivon’ny polisim-pirenena avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nampandrenesin’izy ireo mahakasika ny tranga avy eo ny avy amin’ny sampandraharahan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) etsy Tsaralalàna. Tsy nahitana ratra ilay zaza tamin’ny fotoana nanaterana azy tany amin’ny sampandraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona.
Mino