Iray tarika ny Barea de Madagascar sy ny Lions de l’Atlas an’i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Azo lazaina fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity.
Tontosa omaly, tao Mangaung, Afrika Atsimo, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny ilany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025), taranja baolina kitra. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Fihaonana hatao atsy Afrika Atsimo, ny 1 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao.
Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea de Madagascar, ary miaraka amin’ny Lions de l’Atlas an’i Maroc. Manampy azy ireo koa i Eswantini. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana ho an’ny Malagasy satria ekipa diso efa fantatry ny Barea avokoa izy ireo.
Raha tsiahivina, vao avy nifandona tamin’ny Barea, tamin’ny taon-dasa, ry zareo Eswantini, niadiana ny tapakila hiatrehana ny “Chan 2025”, ka resin’ny Malagasy izy ireo tamin’izany. ala vela ho an-dry zareo izany ity fihaonana ity. Ekipa hanala vela amin’ny Barea de Madagascar ihany koa ny Lions de l’Atlas. Ny 19 janoary 2023, tao amin’ny Kianja Chahid-Hamlaoui Algérie, resin’ny Barea, tamin’ny «forfait» ry zareo, izay tsy tonga niatrika ny « Chan 2023 », nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona.
Na izany aza, efa fihaonana hafa indray ity. Efa nanoman-tena fatratra ny ekipam-pirenena malagasy ary hifarana anio ny fampivondronana voalohany, ho an’ireo mpilalao 44 nantsoin’ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôrô), hifantenana izay hiatrika ity “Cosafa cup” ity. Araka ny angom-baovao, aorian’ny fahavitan’ny dingana ampahavalon-dalana, amin’ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara” indray vao hiditra amin’ny fampivondronana faharoa, ny Barea de Madagascar. Raha tsy misy fiovana, ny 2 jona no daty voatondro hiaingan’ny delegasiona malagasy hiatrika io “Chan 2025” io.
Tompondaka