Veloma farany, feno fihetseham-po. Nomem-boninahitra farany, teny amin’ny Oniversten’Antananarivo, ny profesora Elisa Rafitson, omaly
Nodimandry ny alahady lasa teo ity mpampianatra mpikaroka, anisan’ny namaky lay ny fampianarana ny siansa momba ny ita sy ny serasera teto Madagasikara ity. Vory lanona ireo mpampianatra mpiara-miasa aminy, ireo mpianany taloha sy ankehitriny ary ny fianakaviamben’ny Oniversiten’Antananarivo, omaly, nanoloana ny efitrano fianaran’ny STICOM, lalam-piofanana nantsangany sy novolavolainy hatramin’ny fotoana farany. Tanatin’ny fo feno no nitantaran’ny profesora Lucile Rabearimanana ny fotoana niarahan’izy ireo tanatin’ny tontolon’ny fampianarana ambony, nandritra ny taona maro. Nanamafy izany ny Dr Andriamanga Tinarisoa, izay efa mpianany taloha. Namerina ihany koa ireo solontenan’ny fianakaviana, fa tena noraisin’ny profesora Rafitoson am-po ny fampianarana, ary toy ny zanany naterany ny lalam-piofanana izay nimatimatesany.
Nanam-pahaizana manokana momba ny Lettres modernes, linguistique, phonétique izy ankoatra ny siansa momba ny ita sy ny serasera. Nitantana ny Departement d’études françaises” tao amin’ny Fakiolten’ny teny sy ny soratra ary ny siansan’ny maha olona, tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny taona 1973 hatramin’ny taona 2002, ny profesora Rafitoson. Tomponandraikitry ny sampana “communication en français” tao ihany koa. Ito farany no niofo ho Mention “Science et téchnique de l’information et de la communication” (STICOM), taty aoriana.
Nangonin’i Zo ny Aina