Hampitomboina ny fandraisan’ny orinasa tsy miankina anjara ao anatin’ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Hapetraka ny paikady hampiroboroboana ny fifanakalozana enti-manatanteraka izany.
Ankehitriny, manomana ny fidiran’i Madagasikara amin’ny maha firenena faha-49 ao amin’ny tsenan’ny Zlecaf ny fitondram-panjakana. Dingana ho an’ny fankatoavana sy hampahafantarana ny fizotry ny fifanakalozana ary ny fifanarahana izany. Nisy, araka izany, ny fihaonan’ny Sekretera jeneraly, Wamkele Mene, sy ny delegasionina tarihiny tamin’ny solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny antenimieran’ny Varotra sy indostria eto Antananarivo (CCIA) ary ny antenimieran’ny haitao sy ny asa tanana (CMA), ny herinandro teo. Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, fa « vanim-potoana vaovao ho fampivoarana ny toekarena sy fanatsarana ny fidiran’ny firenena amin’ny tsenan’izao tontolo izao ny tsenan’ny Zlecaf ».
Vina
Tanjona apetrak’i Madagasikara amin’ny fidirana ao anatin’ny Zlecaf ny hampitombo 52,3% ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena afrikanina ny taona 2025, raha toa ka 15% izany. Ilana kosa ny manaraka ny fepetra takin’ny tsena sy ny fanarahana ny fitsipika apetraka. Noho izany, hampitombo ny fanondranana entana sy ny varo-draharaha ny Zlecaf. Anisan’ireo tombontsoa goavana eto Afrika ihany koa ny fahalalahan’ny fampiasam-bola. Tanjona ny hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vondrona afrikanina. Hofoanana ihany koa ny sakana amin’ny saran’ny entana, mankany amin’ny fananganana ny Vondrona ara-toekarena afrikanina. Anisan’ireo nankatoa izao fanapahan-kevitra izao koa ny sehatra tsy miankina, izay voakasika voalohany amin’ny fidirana ao anatin’ny Zlecaf. Marihina fa nihaona manokana tamin’ny minisitra sy nifanakalo hevitra tamin’ireo ekipan’ny minisitera ny iraky ny Zlecaf talohan’ny fihaonany tamin’ny sehatra tsy miankina teny Anosy.
Henintsoa