Manatanteraka fitsidihana any Nosy Be, ao anatin’ny faritra Diana, ny filoha Rajoelina Andry sy ireo delegasionina tarihiny hatramin’ny asabotsy 24 mey izao. Hotanterahina any an-toerana koa ny filankevitry ny minisitra mitety faritra, tahaka ny efa natao tany Toliary sy Mahajanga ary tany Toamasina. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana amin’izao fidinana ifotony tanterahin’ny filohan’ny Repoblika any an-toerana izao.
Fitokanana trano mora miisa 80
Anisan’ny hanamarika izany fandaharam-potoanan’ny filoha izany ny fitokanana fotodrafitrasa samihafa. Anisan’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka hitokanana ny EPP manara-penitra ao Djabalabe. Ho an’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny fitokanana ireo trano mora miisa 80 isa, ao amin’ny “”Cité Ylang Ylang”, ao Hell Ville. Manampy izany, ho an’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny fitokanana fotodrafitrasan’ny lalana eo amin’ny “Carrefour Chateau d’eau Hell Ville”. Tafiditra ary anisan’ny hotokanana amin’izany koa ny ampahany amin’ny tapany faharoa amin’ ny lalam-pirenena RN30. Miainga eo Hell Ville izany lalana izany, mandalo eo Djamandzar, ary mipaka hatrany Andilana.
Fametrahana ny “Parc solaire photovoltaïque”
Etsy andaniny, hatomboka mandritra ny fandalovan’ny filoha Rajoelina Andry any Nosy Be izao ihany koa ny asa fametrahana ny ivontoerana fanapariahana ny angovo mandeha amin’ny masoandro “Parc solaire photovoltaïque”. Iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo kosa indray izany. Natao hamahana ny olan’ny herinaratra any amin’iny faritra iny.
Hitohy amin’ny hetsika sosialy izao fidinana ifotony tanterahin’ny delegasionin’ny fitondram-panjakana any Nosy Be izao. Anisan’izany ny hitondrana tolo-tanana ho an’ireo mponina sahirana ara-pivelomana, iarahana amin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina ary ny vehivavy. Manampy izany ny fitsidihan’ny delegasionina ny Hopitaly Be, any an-toerana sahanin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hotsidihina amin’izany koa ny firosoan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN 57, miainga eo Fascène mihazo ny any Hell ville.
Fijerena ny fizotry ny asa…
Anisan’ny mampiavaka ny any amin’ity Nosy Manitra ity ny tontolon’ny fizahantany. Hifampidinihina amin’ireo tomponandraikitra any an-toerana izany ho fanatsarana hatrany ny fisarihana ireo mpizahatany sy ireo mpampiasa vola amin’io sehatra io any an-toerana. Manodidina ny 3 000 hatramin’ny 5 000 isan-taona ireo mpizahatany tonga any an-toerana. Niteraka famoronana asa ho an’ ny tanora sy ny mponina rahateo izany.
Ankoatra izany, nisitraka ny tetikasa “Pole Intégré de Croissance (Pic)” andiany fahatelo, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena koa ny any Nosy Be. Anisan’ny nahavitana ireo fotodrafitrasa lehibe toy ny lalana ifamezivezena ao an-toerana izany.
Nigadona omaly ireo delegasionina…
Efa nigadona tao Nosy Be, omaly tolakandro, ireo delegasionina notarihin’ny filohan’ny Repoblika. Notsenaina manetriketrika teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Facsène izy sy ireo miara-dia aminy. Nitsena azy ireo tamin’izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, sy ny loholona avy any avaratry ny Nosy, ny governoran’ny faritra Diana sy ny avy any Sava ary ny Prefet an’Antsiranana sy ny avy ao an-toerana.
Tsiahivina fa efa nanaovana hetsika sy fidinana ifotony tahaka izao ireo renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, tao Toliary, ny herinandro teo. Nanatanterahana ny filankevitry ny minisitra tany an-toerana ary nitokanana fotodrafitrasa maromaro na koa nijerena ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana any an-toerana. Teo koa ny fizarana vary ho an’ny mponina sy ny fihainoana ny vahoaka manoloana ny tetikasa Base Toliary.
Nanatontosa : Synèse R.