Hazo ravinala : Tsy misaraka amin’ny fiainana andavanandron’ny Betsimisaraka

Anisan’ny karazan-kazo iray tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny foko Betsimisaraka ny ranivala. Ampia­saina hamonosana entana sy ny maro hafa izy io.

Karazan-kazo hany tokana afaka misolo tena ny firenena malagasy any ivelany ny ravinala. Izy irery ihany no mitondra marika maha Malagasy amin’ny fampiasana azy, izay hitantsika amin’ny fiaramanidina. Tsy vitsy ihany koa ny mampiasa azy amina fonosan’ entana aondrana any ivelany, hitantsika ihany koa izy amin’ireny mari-pamantarana ny mpiasam-panjakana ambony ireny, indrindra ny mpitandro filaminana. Hatramin’ny trano fandraisam-bahiny koa dia ampiasana ny ravinala, ilazana ny antanan-tohatra eo amin’ny samy trano fandraisam-bahiny. Ankilany, saika ambolen’ny rehetra ho fandravahana biraom-panjakana sy eny amin’ny toerana ilana fanaingoana izy ary manome endrika ny tanàna matetika izany. Izay raha ny eo amin’ny fampiasana azy ho mari-pamantarana, izay efa azo ilazana fa karazan-kazo tsy dia fahita firy manerana an’ izao tontolo izao raha tsy eto Madaga­sikara ny ravinala.

Sakaizan’ny Betsimisaraka
Amin’ny ankapobeny, sa­kaiza tsy misaraka amin’ny filan’ny foko Betsimisaraka ny vatana ravinala, izay saika ilaina amin’ny fiainana andavanandrony, indrindra ny any ambanivohitra. Manana ny raviny maitso tahaka ny hazo rehetra izy, ity farany izay saika ampiasana zato isan-jato rehefa fotoam-piotazana letisia. Tsy izay ihany fa rehefa vokatra lena otazana avy aty amorontsiraka ka atao anaty garaba dia saika ilana ravina maitso avy amin’ny ravinala avokoa. Rehefa maina kosa ny raviny dia ampiasaina amina tafotrano, izay antsoina hoe tafo ravim-pontsy. Misy tangozany iny ravina iny ka izay no antsoina hoe Falafa, izay ampiasaina amina rindrin-trano. Misy hafotra ihany koa ny tangozany ka atao tady hamatorana ny ravim-pontsy atao tafo. Mbola tsy mifarana hatreo izany fisakaizany amin’ny olombelona eto Madagasikara izany, fa ny tahoben’iny hazo iny dia azo havadika indray ho rapaka izay mahasolo fafana na hazo fisaka mahazatra antsika ka azo atao rapaka amina trano sy varavarana. Vokany, vita ny trano iray manontolo amin’ny alalan’ireny ravinala izay hitantsika maniry manerana ny ala ireny. Fomba amam-panao Betsimisaraka ihany koa ny Tsaboraha, noho ny antony samihafa, saingy azo fintinina amin’ny fangatahana fitahiana avy amin’ Andriamanitra sy ny razana izany. Ny tsaboraha izay sakafo atoandro haroso amin’ny ravinala. Amin’ny vanim-potoan’ny maintany (jolay ka hatramin’ny aogositra) no tena fanao ny Tsaboraha ka ny talata sy sabotsy ny androny.

Misy ny fitsaboana azo avy aminy

Tsy afaka manary ny olona sendran’ny sarotra anaty ala ny ravinala. Raha mbola amin’ny toerana misy azy, maniry azy ny olona. Manome rano madio fisotro ny eo anelanelan’ny tangozany sy ny vatany mbola tanora, rano azo antoka tsara azo sotroina sy hisasana izany. Ny raviny lehibe mbola maitso raha sendra tratran’ny orana anaty ala dia fampiasan’ny tantsaha ho filindohana, raha tsorina dia atao solona elo. Ankoatra izay, misy ny fony, “coeur”, izay antsoina hoe « Hovitra», izy ity izay azo atao sakafo sy laoka tsara mihitsy ary betsaka ny mankatia an’izany hafangaro amin’ny voamaina na hena matavy na atao ro mazava. Manome akora fampiasa amin’ny fitsaboana ny aretina diabeta ny ravinala: ny raviny maitso sy ny Hovitra aminy. Ny sakafo tsaboraha dia hanina amin’ny ravina ravinala.Raha tsorina eto dia rariny ny ravinala raha nosafidian’ny fitondrana malagasy hatrany am-boalohany ho marika tsy azo hovana hisolotena ny firenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izy rahateo, tena sakaizan’ny rafi-piarahamonina satria tsy misy very ny aminy manontolo fa dia ilain’ny foko Betsimisaraka sy ny amorontsiraka avokoa.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: