Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny distrikan’Ihosy, ny fandaharana «Fijery hafa», notarihin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tanjona ny hanolotra fiofanana isan-karazany ho an’ny tanora sy ny hampiharany izany avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. Manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ao amin’ny faritra rahateo izany. Miisa 5 845 ny mpandray anjara. Ny fandaharanasa dia manokatra ny varavarany ho an’ny fanofanana miisa 30. Maro ny mpiofana tamin’ny sehatra isan-tsokajiny. Tanora 28 tamin’ny herinaratra indostrialy, 58 ny fiompiana trondro, 165 ny fanaovana mofo, 439 ny fiompiana akoho aman-borona, kisoa ary ondry, 15 ny haitao trano, ary 28 ny informatika. 705 hatreto ireo tanora nahavita fiofanana ary mivoatra hatrany amin’ireo sehatra voalaza ireo. Zava-baovao ny fanamboarana saribao ekolojika, savony sy labozia, fakana sary sy taovolo. Eo koa ny fampivelarana ny maha olona, ny famoronana orinasa, ny fanatsarana ny ati-trano, ny fianarana ny asa birao. Miampy ny fahaizana mivarotra, fianarana mozika, fikojakojana fiarakodia, ny lafiny fanamboarana amin’ny lafiny elektronika, asa tanana, fanodinana fako plastika, fianarana mamily fiarakodia.
Ninah (mpianatra asa)