Dahalo efatra sy lambamena iray namoy ny ainy nandritra ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny fokontany Amboasary, kaominina Ambatomainty, distrikan’Ikalamavony, ny talata 20 mey teo. Nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy antsoina hoe lambamena. Handrava ny dahalo ekipan-dry Libertin izy ireo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ireo olon-dratsy. Nisy ny fifandonana mahery vaika. Vaotifitr’ireo tsy mataho-tody, tamin’io fotoana io, ny lambamena iray. Namoy ny ainy izy. Vatan-dehilahy efatra naratra voan’ny bala. Voatifitra teo amin’ny sorony ny iray raha toa ka maratra eo amin’ny kibony sy ny tratrany ny namany. Niroso tamin’ny fitsenana ireo lambamena naratra sy namoy ny ainy ireo ny ekipan’ny solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana. Nentina nihazo ny hopitaly ao Ambositra manaraka fitsaboana ny naratra mafy raha toa ka tsaboina ao amin’ny CHRD Ambatofinandrahana ireo mitaky fitsaboana tsy mananosarotra, omaly maraina tamin’ny 4 ora.
Maty voatifitry ny mpanara-dia sy ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo efa-dahy. Lehiben’ireo olon-dratsy ireo i Libertin sy Lidoul. Mpanao asan-dahalo ikoizana tao amin’ny distrikan’Ikalamavony sy ny manodidina izy ireo. Latsaka teny amin’ireto farany ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny AKM sy ny basy fampiasa mihaza, Calibre 12, iray. Nanamafy ny fiombonana amin’ny mpitandro filaminana ny vahoaka ao an-toerana. Mitohy ny fiaraha-mientan’izy ireo hisorohana ny asan-dahalo.
Tsiferana R.