Raboussa irery, hatreto, ny tarika mpanao rap nahazaka irery ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Haverina indray izany fanamby izany, ho fanamarihana ny 25 taona an-tsehatra.
Taona 1997. Nampiboiboika ny aingam-panahin’ireo mpanao rap tamin’izany, hampiakatra avo ny Hip hop sy ny tontolony. Nisy ireo namaky lay, ary anisan’ny nanaraka voalohandohany tao Raboussa. Telo taona taorian’izay, nanomboka nisedra tsikelikely ny sehatra Raboussa sy ny namany ary tsy niato ny dia hatramin’izao….
“Nisy tantara maro nandritra izay 25 taona izay. Hotetezina an-kira izany, manomboka any amin’ireo niandohana, toy ny Tsiambaratelo, Mpandresy, Izay hanaovana azy. Mandalo ireo tany ampovoany tany, toa ny Te ho any aminao, Ohatran’lah ihany za, Alaiko sipa, alaiko vady. Hatramin’ireo navoakanay faramparany”, hoy ny fanazavan-dRaboussa, nandritra ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny fankalazana, omaly, tetsy amin’ny Barea Mahamasina.
Ny famoahana ny daty no tena nandrasan’ny rehetra: alahady 31 aogositra. Efa nampahafantarina nanomboka tamin’ny taona lasa kosa fa ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hotontosaina izy io. “Anisan’ireo nanamarika an’ireo tanora tamin’ny taona 2000 Raboussa,ary efa niara-niasa taminay. Herintaona no efa nanomananay ity seho goavana ity, ary izao dia efa miditra amin’ny antsipiriany izahay”, hoy kosa i Sylvanno Ratsimandresy, avy amin’ny SR Event.
Ny taona 2015 no nanomboka nisedra ny Lapan’ny Fanatanjahantena Raboussa, ary namaly hatrany ireo mpankafy azy. Seho mandritra ny ora 3 no homanin’ny tarika amin’ity, miaraka amin’ireo namana hasaina manokana. Misy ireo hira tsy dia fanao an-tsehatra intsony, no niverenan-dRaboussa sy ny ekipany naverina mba hozaraina indray. Toa ny efa mahazatra, tarika feno, ahitana ireo mpitendry rehetra sy ny mpanao feo lafika ary ny DJ ny an-tsehatra amin’io.
Zo ny Aina