Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sabotsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana.
Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any amin’ny kliobany avy izy ireo hiatrika ny “Yas Coupe de Madagascar”. Aorian’io, hampivondrona ny mpilalao eny an-toerana indray ny Coach Rôrô, ary rehefa vita indray izany, alefa any amin’ny klioba indray ireo mpilalao hiatrika ny lalao ampahefa-dalana miverina “World Cola PFL”.
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ireo Malagasy mpikatroka telo lahy, niatrika ny “Grand Slam” taranja Jiu-jitsu breziliana, natao tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Afapo tamin’ny vokatra izy ireo ary vonona hanarina ny lesoka amin’ny fifaninanana manaraka, raha ny nambarany.
Voahosotra ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety U18, ny ekipan’ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy, rehefa nandresy ny Fandrefiala tamin’ny isa 46 no ho 40. Isa 46 no ho 38 kosa no nahavoazan’ny JCBA ny AST, teo amin’ny lehilahy.