TSELATRA

Lehilahy telo voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny UIR Tsaralalàna, tao anatin’ny roa andro. Tratra noho ny fihazonana sy fidorohana zava-mahadomelina tetsy Anosibe sy Anosizato Atsinanana izy ireo. Nandritra ny fisafoana sy fisavana amin’ny alina ataon’ny mpitandro filaminana no nahatrarana azy ireo. Nentina eny anivon’ny biraon’ny polisy anokafana fanadihadiana ireo voasambotra.
Vehivavy iray hita faty tsy nisy loha tao an-tranony ny alatsinainy teo, tany Andranodobo Ambany, Ambatolampy. Hita tany anaty ala, 100 metatra miala ny tanàna ny tanany. Vao nivoaka ny fonja 3 taona lasa izay, ity ramatoa hita faty ity, noho ny raharaha fanapoizinana.

Partager sur: