Vondrona eoropeanina : Naranty ny tetikasa vatsiany vola

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Herinandro natokana ho an’ny Vondrona eoropeanina ny Andro fampahafantarana ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola eto Madagasikara notanterahina teny Ankatso, omaly. Maro ny fanohanana ho an’ny fanjakana malagasy amin’ny sehatra samihafa mifanaraka amin’ny politikam-panjakana, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny ho an’ny tanora, ny tontolo iainana, ny fanabeazana. Ohatra iray ny fanohanana ny fikarohana mifototra amin’ ny tontolo iainana sy ny fambolena miaraka amin’ny Cirad.
« Mitentina 492 tapitrisa euros ny ambiny tamin’ny an­diany faha-11 amin’ny famatsiam-bolan’ny Vondrona eoropenina ho an’ny fampandrosoana (FED) eto Madaga­si­kara. Nahakasika sehatra maro izany ka anisany ny fijerena ny sosialy sy toekarena mitondra vokany ho an’ny mpahazo tombontsoa toy ny fikambanan’ny mpiompy sy mpamboly. Eo koa ny tosika fanamboarana tohodrano ha­no­hanana fambolena », hoy ny tale eo anivon’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, Robinary Andritiana Fanomezantsoa.
« Hitodika kokoa amin’ny asa ho an’ny tontolo iainana, Pact vert, ny tohana amin’ny hoavy », hoy ny masoivohon’ny Alemaina eto Mada­ga­sikara. Voalazany fa afaka mamorona asa maro io sehatra io ka entanina ny tanora hifototra amin’izany. Betsaka ny vatsim-pianarana ho an’ny fikarohana mifandraika amin’izay.
Tranoheva maro misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ady amin’ny herisetra, tohana ho an’ny tantsaha hiaro ny rohivoary… tohanan’ny vondrona eoropeanina no nandray anjara tamin’ny fampirantiana ny sahanasa ataony eto amintsika.

Vonjy

Partager sur: