Trobaka tao ambany heliny ny tovolahy vao 18 taona teny Ambatomaro, boriborintany fahadimy, ny alin’ny alarobia 21 mey teo. Nifamaly tamin’ny sakazainy io tovolahy io. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny tsy fitovian-kavitra teo amin’ny roa tonta. Tsy nahatsindry fo ilay vehivavy 22 taona. Naka zava-maranitra ka nanindrona izany tamin’ilay sakaizany. Nanaitra ny manodidina ny zava-nisy, tonga nijery ifotony izy ireo. Naratra mafy ilay lehilahy voan’ny antsy. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny nanatri-maso. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ny naratra. Nosamborina ka notanana vonjimaika atao famotorana ilay vehivavy sakazainy. Niaiky heloka rahateo ity farany. Marihina, mampigadra ny fandratrana na famonoan’olona amin’ny fomba rehetra. Hasarotam-piaro tafahoatra no ahina niteraka ny tsy fifankahazoana teo amin’ireo mpisakaiza ireo. Andrasana ny tohin’ ny fanadihadiana ataon’ny polisy.
Tsiferana R.