Anosizato Atsinanana I : Zaza menavava narian-dreniny

Narian-dreniny niaraka tamin’ny taratasy ny zaza menavava iray teny Anosizato Atsinanana I, omaly tolakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zazakely ni­fonofono tao anaty lamba. Nosorotan’ny renin’ny zaza tao anatin’ny taratasy fa sahirana izy. Tsy ho sambatra mihitsy ny zanany raha toa ka hiaraka hatory an-dalana aminy. Nangataka amin’ny olona mba hikarakarana ny zaza izy. Nalain’ny tomponandraikitry ny fokontany io zaza io sy ny taratasy teny aminy. Nozahana fahasalamana teny anivon’ny hopitaly ary tsy misy atahorana ny ainy. Karohina ny reny nahavita nanary an’io zanany vao amam-bolana io. Mandray an-tanana ny raharaha ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.
Raha tsiahivina, niseho­lany ny tranga fahaverezan-jaza sy fahitana zaza very tato ho ato. Misy amin’ireo ray aman-dreny anefa mbola mahasahy manary ny menaky ny ainy tahak’ity tetsy Anosi­zato Atsinanana ity. Anisan’ ireo ilay zaza 5 volana saika natsipin-dreniny tao amin’ny ranon’Ikopa, afakomaly. Fa­ha­sahiranana amin’ny fiainana andavanandro matetika no manosika ireo renim-pianakaviana hanary ny zanaka na­terany.

Tsiferana R.

Partager sur: