Base Toliara : Hampandroso ny ao Atsimo Andrefana

Mandray anjara feno amin’ ny Foara iraisam-pirenena indostrialy FIM ny orinasa Base Toliara. Tsotra ny tan­jony, hampahafantatra bebe kokoa ny lanjan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, mitondra fampandrosoana ny eny ifotony sy ny firenena amin’ny ankapobeny. Nilaza ny talen’ny fifandraisana amin’ ny any ivelany ao amin’ny Base Toliara, Mahafaritsy Samuel, fa « manodidina ny 14 volana ny fe-potoana hanomanana ny fitantanana samihafa. Ao anatin’izany ny tetikasa, toy ny fanonerana ara-bola ny tompon’ny fasana, ny tohana ara-tsosialy samihafa ». Ma­naraka ny fenitra iraisam-pirenena daholo (SFI, IOB) ny fana­tanterahana izany.
Nohamafisin’i Mahafaritsy Samuel, fa « voarakitra anaty bokin’andraikitra daholo ny zava-drehetra ». Arahina ara-bakiteny ny voasoritry ny an­tsipiriany ao anatiny. Tanjona ny fanajana ny lalàna sy ny fepetra iraisam-pirenena.
Aorian’ny 1 volana, ha­nomboka hanangana ny fotodrafitrasa ho an’ny fihariana, hitrandraka harena an-kibon’ ny tany ny orinasa QMM, ma­nana ny orinasa reniny amerikana Energy Fuels.

Njaka A.

Partager sur: