Mpanoratra, mpikabary, mpanao gazety ary mpampianatra i Elisé Romuald. Mpandala sy mpikaroka momba ny teny malagasy amin’ny ankapobeny, sy ny literatiora manokana ihany koa izy. Vaovao lehibe nozarain’ity mpanoratra ity: hivoaka ny 5 jona izao ny boky “Lahabôlaña Betsimisaraka”, izay vokarin’ny Edirar. Boky miavaka amin’ny maha voka-pikarohana manokana azy, efa noketrehin’ny mpanoratra nandritra ny fotoana ela. Natokana hampahafantarana ny karazana literatiora am-bava misy ao amin’ny foko betsimisaraka ity boky ity. Hisy fanehoana mivantana ny ampahany amin’izany, mandritra ny lanonana fampahafantarana etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
“Ny hoe lahabôlaña dia ny literatiora am-bava, ilazana ny karazan-javakanto maromaro vita amin’ny teny, foronin’ny saina ary tenenina avy hatrany fa tsy mandalo soratra. Manana karazany maro amin’izy io ny betsimisaraka, izay mbola iainan’ny olona andavanandro ny ankamaroany. Ny rasavôlagna, ohatra, izay lahateny sahala amin’ny kabary aty afovoan-tany. Tsy miandry lanonambe, fa isaky ny misy fisotroana toaka misy antony manokana dia tsy maintsy misy rasavôlagna atao vao azo atomboka, na dia olona roa aza no manatrika eo. Ny ôsika, jijy, tôkatôka koa dia atao foana mandraka ankehitriny, rehefa misy lanonana. Izany no antony nanoratako ny boky… Betsaka ny talenta sy zavakanto ananan’ny foko betsimisaraka saingy ahina tsy hiampita amin’ny taranaka. Lasa voafetra ho ny monina any ambanivolo sisa no mahay mirasavôlagna, manao ankamantatra, mitantara angano, mikorambe, miôsiky, mijijy…”, hoy ny nambaran’i Elisé Romuald.
Boky hitondra fivelarana
Ahitana pejy 192 ny boky. Misokajy telo lehibe ny lahabolana voarakitra ao: Lahateny fandresen-dahatra, toy ny “rasavôlaña”, “ôhabôlaña”, “hantambôlaña”, hira vako-drazana sy rindran-teny faneho an-tsehatra, fanafanana lanonana, toy ny “ôsiky”, “jijy”/”tôkatôka”, “sôva”, “fankahitry”, “hira dôlan-jaza”. Eo koa ny sokajy mitantara sy fitaizan-tsaina, toy ny “angano” sy “korambe”, “ankamantatra”, “ankanoñoño”, “ankifidy”.
Anisan’ny kendrena hahazo tombony amin’ity boky ity ny mpianatra sy mpampianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa; ny mpianatra sy mpikaroka momba ny haiteny sy fiteny ary literatiora sy haiolona eny amin’ny Anjerimanontolo. Eo koa ny rafitra sy sehatra samihafa momba ny fanabeazana sy kolontsaina, ny mpikanto teny sy soratra ary mpisehatra amin’ny haino vaky jery, indrindra ny fianakaviambe betsimisaraka, na eto an-toerana na any ampitan-dranomasina.
Tanora manana traikefa ny mpanoratra
Teraka ny 21 jona 1995, tao Ampasimbe Manantsatrana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, i Elisé Romuald. Tao amin’ny EPP Andranomiditra, tanàna nahalehibe azy, no nanombohany nianatra, nitohy tao amin’ny EPP Tsirarafana sy Lycée Privé Mixte Avenir Soanierana Ivongo. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana bakalorea (2013) izy dia nisafidy ny sampana Malagasy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ary nahazo ny mari-pahaizana Master ny taona 2020.
Fandalinana ny teny sy fiteny no nosafidiny, saingy nitohy hatrany ny fankafizana ny zavakanto vita amin’ny teny, indrindra ny lahabolam-paritra. Nanoratra tantara ana onjampeo izy nanomboka ny taona 2016, ary nitohy tamina asa soratra hafa taty aoriana.
Voaray ho mpanao gazety tao amin’ny Radio nasionaly malagasy izy ny taona 2020, rehefa voafantina tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Niampy ny fanolorana ny vaovao an-tsarin’ny Televiziona Malagasy izany (2020-2021); ary nitohy tao amin’ny “Agence de presse nationale – Dépêche Informative Taratra” (2022-2024). Lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny fitenim-paritra, ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izy nanomboka ny taona 2024.
Ankoatra ny maha mpanoratra sy maha mpanao gazety dia mpikabary koa izy nanomboka ny taona 2015. Mahasarika azy, ankoatra izay, ny fizaram-pahalalana, ary voaantso hanatevin-daharana ny mpampiofana momba ny teny sy ny fiteny ary ny serasera eny amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary siantsan’ny maha olona – Oniversiten’Antananarivo izy nanomboka ny taona 2021. Mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny mpikabary Ny Rovako Johary mikabary (NY RO.JO.MI) nanomboka ny taona 2015 sy ny Vondron’ny mpiangaly tantara fihaino (V.M.T Madagasikara) nanomboka 2016.
Nangonin’i Zo ny aina