Filoha Rajoelina Andry : « betsaka ny asa vita, maro ny miandry »

Nitarika ny filankevitry ny minisitra tao Nosy Be, omaly, ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa handehanana any amin’ny fampandrosoana izao fidinana ifotony izao.

Nambarany fa natao hijerena ifotony ireo asa efa vita izany, fa eo ihany koa ireo mbola tokony hotontosaina anatin’ny fampandrosoana izao tanterahina izao. “Maro ireo asa vita, ary apetraka ihany koa ny fanamby amin’ireo mbola tokony ho atao”, hoy izy.
Notanisainy amin’izany fa fotodrafitrasa lehibe hotokanana ao Nosy Be ny lalana, mitondra any amin’ireo toerana manamarika ny tanàna sy mahasarika ireo mpizahatany. Eo koa ny ezaka ho famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Nampirisihiny ihany koa ny sehatra tsy miankina hanao tetikasa famokarana angovo azo havaozina. “Tanjona ny hampihenana ny sandan’ny vindin-jiro sy ny famokarana izany, fa indrindra hanafoanana ny fahatapatapahan-jiro”, hoy ihany izy. Nampanantena ny hanatsarana ny fitsinjarana sy fisitrahana rano fisotro madio ao Nosy Be sy ao Antsiranana ny filoha Ra­joelina Andry. Efa misy tetikasa hanamafisana ny famokarana rano fisotro madio, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, hotokanana ny EPP manara-penitra ao Djabala. Hametrahana “scanner” ny hopitaly ary hanorenana tanàna vaovao ahitana Tranom-panjakana sy “zone commercialle” ary toerana fitsangantsanganana ao Madiro.

Fizarana karatany roa hetsy
Hapetraka ihany koa ny “Bornages massifs” amin’ireo tanim-panjakana ary ho avy ny fizarana titra faobe. Haorina ny birao ifoton’ny fananan-tany (Bif) hizara karatany 200 000 ho an’ny any Diana. Hotohanana ireo fikambanam-behivavy ary hanokanana tetibola.
Ankoatra izany, hapetraka ny borigady manokana hanamafisana ny fandriampahalemana, fa indrindra ny tetikasa napetraka hiarovana amin’ny halatra lavanila any avaratry ny Nosy.
Hotohanana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny famokaram-bary safiotra ka hanomezana masomboly sy zezika ary fitaovana ho an’ireo tantsaha. Hapetraka ao Antsiranana koa ny tranomboky nomerika.

Synèse R.

Partager sur: