Iray amin’ireo teny velona eto ambany masoandro ny teny malagasy. Fototra maro amin’ny teny fampiasa maneran-tany no miainga avy eto Madagasikara. Ankilany, anefa, misy ihany koa ireo mikaroka sy manome lanja fatratra ny fandikan-teny. Ao ireo tafapetraka avy hatrany fa maro ny mampanalasala.
Ny eo tsy hay… ny hafa mibosesika ihany! An’ ny Malagasy ny fiteny malagasy. Saingy, ny Malagasy tompony aza tsy mahafehy azy. Tsy tazana loatra eo amin’ireo raiamandreny na zokiolona io tranga io fa miharihary eo amin’ny ankizy sy ny tanora. Izao vanim-potoana izao ihany koa, anefa, no mampiroborobo fatratra ny fitadiavana teny malagasy vaovao hoenti-milaza na mandika ny voambolana na anarana na mpamari-toetra, sns. Mitohana fatratra, ohatra, ny fifamoivoizan’ny fiarakodia. « Tohamboivoy », hono, no mahalaza iny tranga iny? Io « tohamboivoy » io izany no mila ventesina mba hitoetra eny anivon’ny fiarahamonina, sady porofo ilazana rahateo fa teny velona ny teny malagasy.
Manomboka very hevitra ny Malagasy, satria, mitobaka izay tratra ireo voambolana vaovao, hampanan-karena ny teny malagasy, hono. Tsy mijanona eo amina sehatra iray rahateo ny fivoahan’ireny voambolana vaovao ireny fa samy manezaka amin’izay heveriny fa « mety sy marina ». Hatramin’izao, mbola manjavozavo amin’ny Malagasy rahateo ny rafitra mifehy ny teny malagasy. Iza no afaka mankatoa na azo ampiasaina na tsia ny teny malagasy iray?
Tsy handrenesam-peo…
Ireo raiamandreny sy mpikaroka, mankaiza? Rehefa tsy handrenesam-peo mazava ny sehatra sasany tahaka ny Akademia Malagasy, ny Oniversite, ireo foibem-pikarohana samihafa. Mila miteny ireo raiamandreny, ny mpikaroka. Na tsy hanitsy izay heverina fa « tsy mety » aza, tokony mba hilaza ny heviny ihany kosa. Ny rafitra sasany indray manao nahandro tsy mivoa-pofona, noho ny tsy fananany fampahafantarana matanjaka. Mila haparitaka amina sehatra lehibe ny voka-pikarohana. Hifanakalozan-kevitra. Hifanoroana. Hiaraha-manitsy raha ilaina.
… Tsara ny mikaroka fa mila fohazina ihany koa ny voambolana efa nisy teo aloha mba ho fantatry ny ankehitriny. Maro tsy tambo isaina izy ireny !
HaRy Razafindrakoto