Afaka 4 andro, hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny vehivavy, i Madagasikara na ny “IHF Trophy 2025”. Tafiditra ao anatin’ireo firenena mifaninana i Tchad. Firenena 5 izany no hiady ho lohany.
Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka ny talata 27 hatramin’ny sabotsy 31 mey 2025, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “IHF Trophy, faritra faha-7”, sokajy vehivavy U17 (cadette) sy U19 (junior). Firenena vaovao handray anjara amin’ity, i Tchad. Tsy ao anatin’ity faritra ity ry zareo fa any amin’ny faha-3 saingy tsy afaka ka nangataka tamin’ ny IHF International mba ho aty amin’ny faritra faha-7 ary nahazo fankatoavana. Amin’ ity taona ity ihany anefa izany fa miverina any amin’ny misy azy, amin’ny fifaninanana manaraka.
Hatreto, firenena 5 no hiady ho lohany dia ny Akio de Madagascar, mpampiantrano, manana solontena roa. Eo koa i Seychelles sy i Comores ary i Tchad, samy manana ekipa amin’ireo sokajy roa ireo. Tsy manana afa-tsy ao amin’ny sokajy U19 kosa i La Réunion, izay efa neken’ny IHF International, mifaninana manomboka izao. Tsy hiatrika ity fifaninanana ity i Maurice, noho ny olana anatiny misy eo amin’ ny federasioniny.
Hifandimby mihaona ny firenena 5 ao amin’ny (Junior) ka tompondakan’ny faritra faha-7 izay ekipa manana isa be indrindra. Mihaona daholo ihany koa ny (cadette) ka hiatrika ny famaranana ny firenena roa voalohany, raha hiady laharana ny roa farany.
Tsiahivina fa hisolo tena ny faritra faha-7 amin’ny “IHF Continental”, hatao any Tunisie, ny volana septambra ho avy izao, ny ekipa mandrombaka ny ho tompondaka amin’ ity. Hatao ny alatsinainy ho avy izao ny fivoriana teknika. Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka anio ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Akio de Madagascar. Mialoha izay, niatrika lalao tsapa tamin’ireo Akio Sénior, tetsy Mahamasina ry zavavy, ny alarobia lasa teo.
Tompondaka