Feno 45 taona amin’ity taona ity ny nitsanganan’ny Kung fu Malagasy. Efa nanomboka ny janoary 2025 no nanokafana izany fankalazana izany ary tamin’ny alalan’ny fitetezam-paritra teknika no nisantarana azy. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu, Grand Maître Avoko, fa ho feno sy hiavaka tanteraka ny fankalazana. Nanamafy izany ihany koa ny filoham-boninahitry ny taranja Kung fu, ny loholona Rabetsaroana Sylvain. Anisan’ izany ny fandehanana hanao fifanakalozana ara-teknika any Maorisy, ka ireo Maître Kung Fu nahavitabe teo amin’ ny fitantanana no hisitraka izany. Zava-dehibe koa ny fanatsarana ny Temple de Pierre Mizael eny Ambatomirahavavy ka ho lasa toeram-pitsidihana sy toeram-piofanana manara-penitra ary ho azon’ ny besinimaro tsidihina. Araka ny efa fantatra, tapitra amin’ity taona ity ny fe-potoam-piasan’ny mpitantana rehetra. Laharam-pahamehana amin’ izao fankalazana ny faha-45 taona izao ny fanavaozana ny birao eny anivon’ny seksiona, ny ligy ary ny federasionina, ka ny volana desambra 2025 no hanaovana ny fifidianana federaly. Hofaranana amin’ny lanonambe sy fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo rehetra nahavitabe teo amin’ity taranja ity ny fankalazana ny volana oktobra 2025.
Tsy ekena ny fanarahan-dalàna
Nanamafy ny Grand Maître Avoko fa tsy ekena ny tsy fanarahan-dalàna. Satria, saro-pady ity taranja ity ka handraisana fepetra izay manao izanny. Nanentana ny ray aman-dreny izy handefa ny zanany amin’ny klioba manara-dalàna. Manodidina ny 4 hetsy hatramin’ny 5 hetsy amin’izao ny mpikatroka Kung fu manerana ny Nosy. Ahitana ligy 15 sy klioba an-jatony.
Mi.Raz