Landy Volafotsy sy ny Odeamson: Hiantsehatra ny « Fangataham-panambadiana »

Tarika Landy Volafotsy, naorin’i Odeam Rakoto, an­drarezin’ny hira, dihy, teatra malagasy. Odeamson, taranaka nandimby an’i Odeam Rakoto. Hanatanteraka hetsika ao Ambohitahara, Ambo­hidratrimo izy ireo. Hisy koa ny lanonana ao amin’ny Tra­nompokonolona Ambo­hi­dra­trimo, ny 28 jona izao, ma­nomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Holalaovina an-tsehatra ilay tantara mitondra ny lohateny “Fangataham-panambadiana”. Ankoatra izay, hihira ny sanganasan’i Odeam Rakoto ihany koa izy ireo
Tsiahivina fa manavanana ny Tropy Landy Volafotsy sy ry Odeamson ny filalaovana teatra an-kalamanjana. Maro ireo hetsika efa nanaovan-dry zareo fanentanana narahina vakodrazana, nitetezana faritra teto Madagasikara sy tany ivelany. Marihina fa ny fikambanam-behivavy ao Ambo­hitahara Ambohidra­tri­mo no mikarakara ity hetsika ity ho fananganana ny tranom-pokontany ao an-toerana.
Anisan’ny namolavola talenta maro i Odeam Rakoto tamin’ny fotoam-pahavelomany. Ny fananany talenta maro sy ny fianarana norantoviny no nanampy azy tamin’izany. Hain’i Odeam Rakoto, ohatra, ny mamoaka karazam-peo maro amin’ny fanatontosana hira iray. Ahenoina izany, ohatra, ilay hira « Adin’ankizy ». Havanana amin’ny fandihizana ihany koa izy. Hainy ny nandrindra izany rehetra izany ka nahavariana ireo rehetra nahita na teto an-toerana na tany ivelany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: