Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fifanakalozana traikefa avy amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy i Madagasikara ary i Kaomoro. Zava-dehibe ny fandraisana ireo firenena afrikanina ireo amin’ny fifanakalozana traikefa sy ny fanatsarana ny fiahiana sosialy. Ny tetikasa Haratonaina, izay tetikasan’ny fitondram-panjakana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, ny Fid no manatanteraka eny ifotony, no nifanakalozana traikefa tamin’ireo firenena roa ireo.
Tafiditra ao anatin’ny teboka voalohan’ny programanasan’ny Filoham-pirenena ny fijerena ny maha olona ary ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina no manatanteraka izany amin’ny alalan’ny fandaharanasa maro.
Ireo firenena roa ireo no tena maka lesona betsaka eto Madagasikara satria isika efa lasa alavitra raha ny mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy, araka ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny fiahiana sosialy, Rivomanana Gisbert. Manamarina izany ny Banky iraisam-pirenena, araka ny tombana nataony.
Tena fakan-tahaka ny tohana omena ireo marefo rehefa misitraka ny fanampiana. Tena ilaina ny tantsoroka sy ny fiofanana isan-karazany rehefa mahazo tohana.
Isika eto Madagasikara ihany koa dia mandray sy mampihatra ary mampifanaraka ny zava-misy tsara avy amin’ireo firenen-kafa hisian’ny tena fiahiana sosialy mahomby.
Tatiana A