Niala hatramin’ny sofiny : Renim-pianakaviana naratra mafy naolana tovolahy iray

Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo.

Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodi­manga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona ity. Vao nahatazana ilay ramatoa ilay tovolahy, napetrany ny entana teny aminy fa lasa nanenjika azy izy. Noho ny hery tsy mitovy, tratrany ilay renim-pianakaviana 52 taona ka nazerany amin’ny tany. Nokaikairiny ny sofiny havia ary niendaka niala taminy mihitsy, nokaikairiny toy izany ihany koa ny takolany havia. Nalemy sy tsy afa-nanohitra azy intsony ity renim-pianakaviana ity ka nanamparany ny filan-dratsiny. Tsy namelany ilay niharam-boina raha tsy naratra mafy. Nitsoaka ity nahavanon-doza ity. Olona sendra mandalo kosa no nahita ilay ramatoa nihosin-dra teo amin’ny tany ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambo­dilazana. Tsy vita tao anefa fa nentina niakatra ao amin’ny hopitalibe CHU Analan­kinina Toamasina ilay reny niharam-boina.

Indroa nosamborina
Ny alahady ihany, efa voasambotry ny polisim-bohitra sy ny fokonolona tao Ambo­dilazana ity tovolahy ity. Saingy tafatsoaka izy ny alahady alina ary voasambotra fanindroany ihany. Voasambotra indray izy ny talata teo ka natolotry ny fokonolona ny zandary ao amin’ny Poste avance Fanandrana. Ankilany, manahy mafy ny fokonolona amin’ny fahatarana ny fanolorana an’ ity tovolahy ity ny fampanoavana, izay efa misy amin’ireo fianakaviany mikononkonona hanao taratasy hosoka sy mety hanaovana an’ izany amin’ny alalan’ny kolikoly ka atao ho olona marary saina izy. “Tovolahy mitady vola soamatsara, salama saina, io tovolahy nahavita trangan-javatra ma­moafady io”, hoy ny solontenam-pokonolona. Ireto farany izay nanamafy fa aleo hioty ny heloka vitany ny tsirairay.

Sajo

Partager sur: