Manaitra ny fanjakana mba tsy hanaotao foana ny depioten’Avaradrano, Andriamosasoa Avotra, omaly. “Sao ho singam-bolo handavo ny vositra ity raharaha ity. Miantso ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana ihany koa mba hitsara am-pahamarinana sy am-pilaminana”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita hatrany am-boalohany ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’i Talata Volonondry tamin’ny alalan’ny fifidianana. Masiaka ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. “Izy ireo no naneho ny safidiny sy nanome fahefana ny olona tiany hitantana ny tananany ka mahasaro-piaro azy”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny tamin’izany fa lany ho ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, araka ny didy navoakan’ny Tribunal Administratif, tamin’ny 17 janoary lasa teo, Rakotondrazaka Toky, kandidàn’ny antoko Tim. Resiny avokoa ireo kandidà roa nifaninana taminy, araka ny nambarany. “Efa nandray ny asany amin’ny maha olom-boafidy azy izy ary nametrahan’ny vahoaka fitokisana ka nisafidianany azy tamin’ny besinimaro”, hoy ihany izy.
Nohitsiny anefa fa tsy nanaiky izany ny kandidàn’ny Irmar fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny filankevi-panjakana. Nanteriny hatrany fa efa iarahana mahita sy maheno ny fanehoan-kevitra maro samihafa ataon’ny kandidà mpifaninana amin’ny tsy maintsy hampandresena ny kandidàm-panjakana. “Fifidianana no natao nefa hampandresena ve rehefa tiana hampandresena”, hoy ny fanontaniany.
Araka izany, miandrandra ny hitsarana ara-drariny sy hitsiny ary araka ny lalàna amin’ny fitsarana mahefa ny solombavambahoakan’Avaradrano.
Synèse R.